Reny

Avy amin'i Wikipedia

Ny Reny dia ilay vehivavy niteraka ny zaza anankiray, ny lehilahy niarahany nahafahany niteraka no antsoina hoe ray.

Ny Ray aman-dReny (misaraka no fanoratra azy) no enti-milaza ireo lehilehy sy vehivavy ireo, ka antsoin'ny fiteny malagasy hoe Nahitana masoandro, na Masoandro amam-Bolana. Tsy tokony ho afangaro amin'ny teny hoe Raiamandreny (soratana mikambana) izay enti-milaza olona na entité manana satan'ny Ray aman-dReny eo amin'ny fiaraha-monina noho ny haja manokana ananany, kanefa tsy niteraka tamin'ny fomba biôlôjika; toy ny Raiamandreny FFKM.

Ny teny hoe Neny na Mama na Maman na Endry no iantsoan'ny Malagasy ny Reniny. Ireo voambolana ireo dia maneho fifandraisana akaiky sy ara-pitiavana tokoa eo amin'izy mianaka, ary mitaratra sahady ny andraikitry ny reny eo anivon'ny fiainan'ny zanany. Ny teny hoe Mama sy Maman moa dia avy amin'ny teny frantsay nogasiana, ary vanin-teny anisan'ny tononin'ny zaza voalohany koa eo amin'ny fiainany aorian'ny vanin-teny hoe da sy ba. Ny voambolana hoe Endry kosa indray dia any anindran-tany no tena ahenoana azy. Ny vanin-teny ma dia fahita amin'ny ankamaroan'ny dikan'ny teny hoe Neny amin'ny tenim-pirenena maro eran-tany.

Ho an'ny biby mampinono rehetra (anisan'ny voakilasy ao anatin'izany ny olombelona), dia entin'ny reny ao an-kibony ny zanany manomboka amin'ny famoronana azy ka mandra-pahatongan'ny fotoana haha-vory nofo sy taova azy ka ahafahany ho ateraka. Ho an'ny olombelona manokana, dia eo amin'ny sivy volana eo ho eo no fotoana itondran'ny reny ny zanany ao am-bohoka, ary anondroan'ny Malagasy ny reny ihany koa ny teny hoe Nitondra folo volana. Zazarano no iantsoana zanaka ao an-kibo raha mbola tsy teraka izy, ary ao amin'ny tranonjaza no ipetrahany. Aorian'ny fahaterahana, dia mamokatra ronono ho sakafon'ny zaza ny nonon'ilay reny.

Ho an'ny organisme tsy miteraka, dia ny voambolana hoe reny no ilazàna ireo nipoirana, ho an'ny sela ohatra, dia antsoina hoe reny ilay sela anankiray nizara roa ka nahazoana sela anankiroa (zanany).

Manana andraikitra lehibe eo amin'ny fanabeazana ny zanany ny reny, ary indraindray ny sata hoe reny dia omena vehivavy izay tsy niteraka ny zaza iray kanefa miantsoroka ny adidin'ny reny manontolo sy manabe ilay ankizy. Amin'ny ankapobeny dia eo amin'ny fananganan-jaza no ahitana izany ka mety ho antsoina hoe renikely ihany koa io reny tsy niteraka io.

Manana andro iray ao anatin'ny taona natokana hankalazana azy ny reny. Eto Madagasikara, dia ny alahady farany amin'ny volana mey no atokana ho fetin'ny reny. Ny anglisy koa dia mankalaza andro sahala amin'io amin'ny alahady fahefatra aorian'ny karemy (Mothering Sunday). Any Etazonia, Aostralia sy Canada dia ny alahady faharoan'ny volana mey no atokana ho ankalazaina ho an'ny reny (Mother's Day, nampiasaina hatramin'ny faran'ny taonjato faha-XIX).

[Ovay] Fampiasana ny teny hoe « reny »

  • Ny reny no foto-tenin'ny teny hoe Firenena, ary manana ny satan'ny reny tokoa ny firenena teo anivon'ny tontolo Malagasy.
  • Tamin'ny fanjanahantany teto Madagasikara, i Frantsa izay nanjanaka an'i Madagasikara dia nantsoin'ny Malagasy hoe reny (Frantsa Reny Malala).
  • Any am-pita, dia misy teknika ahafahan'ny mpivady momba sasany manan'anaka amin'ny alàlan'ny famokarana tsirinaina lahy sy vavy izay kotrehina ao an-kibon'ny vehivavy hafa noho ny olana mety hananan'ilay vehivavy tokony hitondra vohoka ny zanany. Ilay vehivavy mitondra vohoka ho an'olon-kafa io dia antsoina hoe « mère porteuse » (Reny mpitondra).
  • Amin'ny fivavahana kristianina, dia antsoina hoe Mamera ireo vehivavy mpivavaka sasany izay efa lehibe sy mitondra andraikitra lehibe eo anivon'ny fiangonana, ny voambolana Mamera io dia avy amin'ny teny frantsay hoe « Ma Mère » na Reniko. Iray amin'ireo Mamera malaza indrindra i Mère Teresa. I Maria Virjiny dia antsoin'ny fivavahana katôlika hoe Masina Maria, Renin'Andriamanitra.
 affection maternelle (fitiavan-dreny)(asan'i William Bouguereau - taonjato faha-XIX)
Angezao
affection maternelle (fitiavan-dreny)
(asan'i William Bouguereau - taonjato faha-XIX)

Ny teny hoe reny dia enti-milaza :

  • ny loharano, mpamorona na anton'ny zavatra iray
  • izay ambony eo amin'ny antanan-tohatra iray
  • izay voalohany tamin'ny fiainan'ny olona iray (tenin-dreny)
  • izay voalohany, izay lehibe indrindra (Renipejy)
  • izay rehetra mety ahazoana zanany (Renivola)